Fandriampahalemana

Jiolahy nahafaty olona tany Ambositra Maty voatifitra teny amin’ny Fasan’ny karana,


  • Zoma 12 Aogositra 2022

Taorian’ilay fanatsatohana antsy ireo olona mianaka avy nivarotra narahina jiolahy tamin’ny 27 Jolay lasa teo tany

Ambositra dia nitsoaka teto Antananarivo itsy voalohany ka natao ny sava hao. Sarona soa aman-tsara tetsy amin’ny tobim-piantsonana Fasan’ny Karana izy andro vitsy lasa izay ka nentina niverina tany Ambositra mba hatao fanadihadiana. Ny loza anefa dia mbola niezaka ny nandositra ihany ity jiolahy ity ka voatery notifirin’ny polisy ary tsy tana ny ainy fa nanaraka azy mianaka novonoiny koa. Raha tsiahivina kely ny tantara dia an-dalana hody izy mianaka ireo no notafihin’ity jiolahy ity. 40 taona ilay Reniny raha 18 taona ilay zanany lahy. Ilay Ramatoa no notsatohan’ity jiolahy ity antsy voalohany ka nalainy ny vola rehetra tany aminy. Niezaka ny nanenjila io jiolahy maty io ilay zanany 18 taona nandritra izany saingy mbola notsenain’ilay tsy mataho-tody tamin’ny antsy ihany ary namoy ny ainy ihany koa.
Pati
Legende : Maty koa ilay jiolahy namono nahafaty azy mianaka !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT