JIOLAHY MPANAFIKA ENY BEHORIRIKA

Telolahy no indray lavon’ny balan'ny Polisy


  • Alakamisy 19 Desambra 2024

Ao anatin’ny fametrahana ny fandriam-pahalemana amin’ireo faritra maro manerana ny Nosy ny Polisim-pirenena

amin’izao ankatoky ny fankalazana ny Fety izao. Hetsika maro no tanterahin’izy ireo noho izany ka anisan’ireny ny fidinana ifotony sy fisafoana tanterahiny. Ny 12 desambra dia andian-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana nikasa hanafika teny amin’iny faritr’i Behoririka iny no sendra ny Polisin’ny CUI sy UIR nanao fanamiana sivily, ka avy hatrany dia nandositra nihazo ny elakelan-trano miakatra an’Ambondrona. Nampitandrina azy ireo ny Polisy, kanefa dia namoaka ny fitaovam-piadiana teny aminy ireto jiolahy ireto. Voatery nitifitra ny Polisy noho izany ka lavo avokoa izy telolahy. Fantatra tamin’ny fanamarinana azy ireo fa isan’ireo rain-dainy amin’ny asa fanendahana sy fanafihana mitam-piadiana eny amin’ny manodidina eny izy ireo ary efa naharaisana fitarainana maro.
Pati
Legende : Tsy mitsitsy ny polisin’ny UIR rehefa manao ny asany. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT