Fandriampahalemana

Jiolahy mpaka an-keriny tany Menabe Iray lavon’ny bala, iray azo sambo-belona


  • Alarobia 13 Jolay 2022

Lehilahy iray no tra-tehaky ny Polisy miasa ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoana Menabe omaly 12 jolay lasa teo tao Amboriky Fokontany Mahabokely kaominina ambanivohitra Mahabo rehefa naka olona an-keriny.

Fantatry ny Polisy tompon’andraikitry ny Filaminam-bahoaka any an-toerana ny fieren’ireo jiolahy mpanatanteraka fakana an-keriny izay miseho any amin’iny faritra iny. Niara-nisalahy noho izany ireo Polisy miasa ao amin’ny Fitaleavam-paritra Menabe izay nahitana ny kaomisaria CSP Mahabo sy ny Polisin’ny FIP Morondava tamin’ny fitsirihana ireo tanana ireo. Omaly 12 Jolay nandritra izany no lavon’ny balan’ny mpitandro ny filaminana ny iray tamin’ireo jiolahy izay namaly tifitra nandritra ny fisamborana azy tao amin’ny tanana iray antsoina hoe : Besara kaominina ambanivohitra Ampanihy. Ireo namany hafa mipetraka ao amin’ny tanana antsoina hoe : Belohahena Fokontany sy kaominina Ampanihy kosa nandositra raha vantany vao nahatazana ny mpitandro ny filaminana lavidavitra. Navelany teo avokoa ny zavatra fampiasany toy ny finday, ody gasy sy famaky fampiasa ary kara-panondro sy pasipaoro. Ny lehilahy iray hafa kosa tra-tehaka tao amin’ny tanana iray antsoina hoe : Amboriky Fokontany Mahabokely kaominina ambanivohitra Mahabo taorian’ny fifanenjehana natao. Tsy tratra tao amin’ny trano fonenany kosa ny sasany tamin’ireo mpanao ratsy nandritra ny fandalovan’ny Polisy tao aminy. Mitohy ny fikarohana ireo naman’izy ireo.
Pati
Legende : Ilay jiolahy iray namoy ny ainy sy ilay azo sambo-belona ary ireo fitaovana nampiasainy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT