Jiolahy maty teny Fenoarivo

Efa mpamerin-keloka ny iray, mbola misy karohina


  • Alakamisy 07 Septambra 2023

Jiolahy efa mpamerin-keloka ny iray tamin’ireo voatifitra afak’omaly alina teny Fenoarivo ka namoy ny ainy,

raha araka ny fanazavana avy amin’ny mpitandro ny filaminana. Avy any Analavory izy. Raha araka ny fantatra dia voarohirohy tamin'ny raharaha famonoana mpivaro-kena Itompokolahy tamin’ny taona 2019 ary efa naiditra am-ponja vonjimaika nandritra ny 2 taona. Afaka noho ny fisalasalana ny lehilahy tamin’ny taona 2022. Mbola nampianatrano dahalo ihany koa izy taorian’izay ka tratra tao an-tranony ny basy poleta marika CCCP sy bala miisa 5. Voatana vonjimaika teny am-ponja ary 5 volana indray ny sazy azony vokatr’izany. Tafavoaka indray ny anaolahy taorian’izany. Tamin’ity taona 2023 ity dia mbola nirihariha niaraka tamin'ny kalachnikov Itompokolahy sy ny namany . Nifanenjana tamin’izy ireo ny mpitandro ny filaminana vokatr’izany rehefa nahazoana vaovao fa saika hanafika indray ry zalahy. Basy mitovy hery no nifanandrina nandritra izany, ka nahalavo ny roalahy. Mbola misy jiolahy iray voatifitra teo amin'ny feny moa miafina any ho any, hoy ny vaovao. Izay hopitaly na mpitsabo mandray azy io araka izany dia hiangavian’ny borigady ao Fenoarivo mba hiantso ny laharam-pinday 034_14_009_56.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT