JIOLAHY MAROBE NIDITRA AN-TRANON'OLONA

Maty noho ny tebitebiny ilay tompon-trano efa "sous sérum"


  • Alatsinainy 11 Aogositra 2025

Namoy ny ainy omaly Zoma 08 Aogositra ilay Raim-pianakaviana iray 67 taona

tompon-trano efa sous sérum teo am-pandriana nidiran'ny jiolahy miisa 6 tao an-tokantranony tany Mangarano 2 parcelle 11/47, Toamasina. Afak'omaly Alakamisy 07 Aogositra tamin'ny 12 ora sy sasany alina raha tsiahivina no nitrangan'ny fanafihana. Miisa 10 ireo jiolahy no nanafika io tokantrano io hoy ny fitantaran'ireo niaram-boina ka ny 3 niditra tao an-trano, ny 3 tsy misaron-tava raha nijanona tany ivelany ny ambiny. Notaforan'ireo tsy mataho-tody tady ny varavarana tamin'ny efitra hafa nandritra izany tsy nahafahan'ny sasany nivoaka. Lasan'ireo jiolahy tamin'izany ny finday rehetra tao anaty trano, niampy vola. Nanambara ny zanaky ny maty fa mbola nahavita nitantara ny rain'izy ireo omaly maraina fa efa saika hovonoin'ireo jiolahy izy saingy nisy iray nanivaka nilaza fa olona efa marary ve hatao inona ? Mbola nahavita niantso vonjy koa io Raim-pianakaviana io tamin'ny Alakamisy alina. Fantatra moa fa efa taizan'aretina ity Raim-pianakaviana namoy ny ainy ity.
Pati
Légende : Nongotan'ireo jiolahy tahaka izao ny karetsak'ilay varavarana tao amin'ilay trano nidirany. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT