Jiolahy lavon’ny SAG teny Ambohitrimanjaka

Mbola tsy nisy naka ny nofo mangatsiakany ?


  • Alatsinainy 24 Jona 2024

Mbola tsy nisy naka raha ny loharanom-baovao azo ny nofo mangatsiakan’ireo jiolahy

miisa 4 lavon’ny balan’ny SAG teny akaikin’ny Art Malagasy Ambohitrimanjaka ny Zoma 21 Jona lasa teo. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nanomana fanafihana teny Ambohitrimanjaka ireto jiolahy ireto. Naharay antso anefa ny SAG mikasika azy ireo izay mbola nanamafy ihany koa fa mitondra basy sy antsy izy efa-dahy.Polisy nanao fanamiana sivily no nidina avy hatrany teny an-toerana ka nahita ireto jiolahy ireto teo am-panaovana ny asa ratsiny. Raikitra ny fifandonana ka lavo tamin’izany izy efa-dahy. Nihena 4 indray araka izany ireo jiolahy mpanao fanafihana mahery vaika eto amintsika. Na izany aza mitohy hatrany ny ezaka amin'ny famongorana ireo mpanao ratsy ataon'ny Polisim-pirenena. Miantso ny rehetra mba hampandre sy hanome vaovao ny azy ireo ara-potoana araka izany ny polisy raha misy tranga mampiahiahy.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy efa-dahy jiolahy namoy ny ainy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT