JIOLAHY EFA NIGADRA TENY TSIAFAHY

Nahatrarana basy sy karapanondro hosoka indray


  • Zoma 16 Mey 2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

teny Andohanarofotsy ny 10 May lasa teo rehefa niafina nandritra ny fotoana maro. Efa voarohirohy tamin’ny resaka vono olona sy fanafihana mitam-piadiana ity olon-dratsy ity, raha tsiahivina. Nandritra ny fisavàna ny tranony dia tratran’ny Polisy tao aminy ny basy Makarov calibre 9 mm, misy bala 10 sy karapanondro-pirenena hosoka izay fampiasany. Efa voasambotra tao anivon'ny Polisim-pirenena ity jiolahy ity ny volana Desambra taona 2020 ary voafonja teny Tsiafahy. Nandritra ny fanadihadiana ihany koa no nahafantarana fa anisan'ny nandray anjara tamin'ny fanafihana mpanakalo vola vahiny teny Analakely izy tamin'ny volana Janoary lasa teo. Natolotra ny fampanoavana afak’omaly Alarobia 14 May ny anaolahy ary naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora.
Pati
Legende : Efa mpamerin-keloka avokoa ny ankamaroan’ireo jiolahy eto amintsika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT