JIOLAHY EFA NIGADRA, NANJAKA TENY ALASORA

Lavon’ny balan’ny USI


  • Alatsinainy 24 Martsa 2025

Lavon’ny balan’ny USI ny jiolahy rain-dahiny iray mpampihorohoro ny mponina

eny Alasora Avaradrano sy ny manodidina. Teo am-panomanana asa ratsy ity jiolahy ity no nifanehatra tamin'ny Polisy ka lavo nandritra ny fifampitifirana. Basy vita gasy iray no hita teny aminy. Fantatra nandritra izany fa jiolahy efa nigadra tamin’ny taona 2021 noho ny resaka fanafihana mitam-piadiana ity namoy ny ainy ity izay nahafatesana olona. Afa-doza ny mponin’Alasora noho izany. Na izany aza mbola miantso hatrany ny mpitandro ny filaminana izy ireo mba hifanome tanana aminy ho fiarovana ny ainy. Tafiditra ao anatin’izany ireo mpiasa sy mpivarotra mivoaka maraimbe. Toraka izany koa ireo mpiasa sy mpianatra mody hariva na mitondra moto na tsia.
Pati
Legende : Nahazo saran-dalana ho any amin’ny varo tsy mifody indray ity jiolahy ity !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT