Fandriampahalemana

Jiolahy efa nibaboka notifirina ho faty Mampiahiahy ilay tranga tetsy Ampefiloha


  • Alatsinainy 26 Aogositra 2019

Ny ankamaroan’ny mpanara-baovao no nihorin-koditra nahita ny zava-nitranga tetsy Ampefiloha ny zoma teo nandritra ilay gidragidra nifampitifiran’ireo polisin’ny SAG na « Service anti-gang » tamina tovolahy miisa 3 voalaza ho jiolahy.

 

 

Raha tsiahivina dia nahatohina olona maro ny nahita tamina fahitalavitra tsy miankina iray ny nitifiran’ny mpitandro filaminana misaron-tava teo amin’ny lohany tovolahy iray efa lavo mihohoka. Samy nampametra-panontaniana ny maro ary mbola iandrasan’ny rehetra valiny hatramin’izao ny anton’ity fihetsika izay hita ho nivaona ny fanajana ny zon’olombelona ity. Ny taona 2016 no efa nanomboka ny fanamarihana tanaty tatitra momba ny zon’olombelona teto Madagasikara fa nahalana ny fitondrana no nandray fepetra hanenjehana araka ny lalàna na hanasaziana ireo tompon’andraikitra nanararao-pahefana ary mbola olana hatrany ny tsimatimanota raha nisy ny tsy fahafehezana ireo mpitandro filaminana sasany tamin’ny fotoan’androny. Ny tena manahirana tamin’iny fihetsika iny, dia teny imasom-bahoaka, ary nisy ankizy zaza nahita ihany koa. Mety hisy ny fazavana ataon’ny mpitandro filaminana, fa mety ho sary iray manome vahana ny olona hanao fitsaram-bahoaka ny zavatra tahaka ireny. Tsy sanatria natao hanenjehana ny mpitandro ny filaminana fa kosa tena miteraka adihevitra ireny. Maro ny velon’ahiahy sao sanatria natahorana hamoaka tsiambaratelo no antony namonoana tsy nandalo fitsarana sy fanadihadiana ilay jiolahy izay efa nibaboka nanaiky hosamborina fa tsy nanohitra ? Hitohy sy vao mainka hirongatra ve izany ireo mpitandro filaminana heverina fa tsy voafehy ? Andrasana ny fanadihadiana sy fanazavana !

J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

  • ANOSIBE
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty voatifitra teo

  • Asa ratsy sy halatra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

eny amin'ny RN7 Lasibatry ny jiolahy ny fiara

  • Fandorana Kaomisaria sy herisetra tao Vohémar
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hisy fanenjehana ara-pitsarana ireo tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT