Jiolahy 3 matin’ny polisy teny Andohatapenaka

Anisan’ireo nanafika teny Ambodivona, Analakely,…


  • Zoma 21 Febroary 2025

Nihena 3 indray ireo jiolahy mpanao fanafihana mahery vaika sy mpampihorohoro eto an-drenivohitra

Maty voatifitra teny Andohatapenaka omaly Alakamisy 20 Febroary Ramahagaga sy ny namany taorian’ny vela-pandrika nataon’ny mpitandro ny filaminana. Tokantrano iray teny amin’iny faritra iny no fantatra fa niheren’izy ireo. Nirotsaka teny an-toerana nanao ny « opération anti-gang » avy hatrany ny polisy ka nanomboka tamin’ny 04 ora hariva teo ho eo ny poa-basy tsy nifandrenesana niainga teny 67ha hivoaka Andohatapenaka, izay nampivarahontsana ny mponina sy ireo mpandalo tokoa. Tsy nanaiky ihany koa mantsy ireo mpanao ratsy fa namaly bontana ka voatery niaro ny ainy ny mpitandro ny filaminana. Nandritra izany no nahalavo an-dRamahagaga sy ny namany. Nisy namany iray niezaka nanavo-tena nitsoraka tany anaty rano misy tsikafona izay nifampitadiavana, ka raha ny vaovao farany dia matin’ny polisy ihany koa io. Fantatra moa fa jiolahy efa nifampitadiavana hatramin’ny ela izy telolahy ireto. Raha ny fanampim-baovao, efa narahi-maso nanomboka ny fihandoan'ny herinandro izay nenjehin'ny Polisy rehefa nanao fanafihana mitam-piadiana teny Ankazotoha ireto andian-jiolahy ireto. Anisan’ny tambajotran-jiolahy nanao ny fanafihana teo Analakely izay nahafatesan'ilay lehilahy mpanakalo vola vahiny vao tsy ela. Teo ihany koa ny fanafihana teny Ambodivona sy Alasora ity. Nitohy omaly ny fanarahana ireto jiolahy ireto ka nisian’ny ny fifampitifirana. Polisy iray naratra voatifitra ary nentina tao amin'ny hopitaly HOMI Soavinandriana. Mbola mitohy ny fikarohana sy ny fanenjehana ireo jiolahy mbola tsy tratra ataon'ny ekipan'ny SAG, SAG, FIP eto Antananarivo.
Pati

 

 

 

 

 

 


+2

 

Toutes les réactions :
255Prefer Nirina Razanatsimba, MamiTina Andriambololona et 253 autres personnes


Pati
Legende : Anisan’ny faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana ny ety Andohatapenaka !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT