Fandriampahalemana

Jilolahy mpanafika mitam-piadiana Dimy lahy Naiditra MD eny Tsiafahy


  • Alatsinainy 11 Mey 2020

Efa niakatra fampanoavana teny amin’ny fitsarana Anosy ireo jiolahy mitam-piadiana miisa 5 lahy mpanafika tranon’olona sady mpanolana vehivavy (23 ka hatramin’ny 32 taona),

 

 

 

voasambotry ny zandary tao amin’ny « Poste avancée » Ambohimanambola ny 6 mey 2020 lasa teo ka nampidirina MD eny Tsiafahy avokoa miandry ny fitsarana azy ireo. Niaiky ny heloka vitany ireto jiolahy ireto tamin’ny fankana am-bavany nataon’ny zandary taminy.Marihana fa efa mpanatanteraka fanafihana mahery vaika tao Ambohimalaza sy Anjeva ary Ambohimanambola izy ireo ary mbola misy namany hafa ihany koa mpiaraka amin’izy ireo nefa dia mpanatanteraka fanafihana mahery vaika ao Ambohimalaza sy Anjeva ary Ambohimanambola izy ireo ary mbola nisy namany hafa ihany koa fantatra fa niaraka tamin’izy ireo nanao ny asa fandrobana farany sy fanolanana vehivavy roa nataon’izy ireo farany tao Ambohidrazana ka nahatrarana azy nefa dia tsy nety nanoro ireo namany sy ny mpamatsy basy azy ireo mihitsy izy ireo. Tena mahery fihetsika ireto andiana jiolahy ireto noho ny fandraisany rongony marobe sy tena mahery mialohan’ny hanatanterahany ny asa ratsiny. Fantatra tamin’ny fanadihadiana nataon’ny zandary ihany koa fa saika nahafantatra ary nahatadidy azy ireo avokoa ireo tompon-trano rehetra efa niharan'ny fanafihana tamin'ireo toerana voalaza ireo.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT