Jeneraly Ravalomanana Richard

« Ho sahirana ianareo zandary sy polisy raha vitavita ho azy io »


  • Alatsinainy 19 Febroary 2024

Tany anaty adihevitra teny anivon’ny tambajotran-tserasera no nahitana

ny fanehoan-kevitry ny Jeneraly misotro ronono Ravalomanana Richard izay Filohan’ny Antenimierandoholona mikasika ny toe-draharaha tany Ankazomiriotra. « Tokony tsy hamelana ny nitarika sy nahavanon-doza nangalatra fitaovam-panjakana sy nanimba fitaovam-panjakana. Fanatanterahana didim-pitsarana no nataon'ny zandary, nanaraka ny lalàna velona ry zareo rehefa nanohitra avy eo nitsoaka ilay olona araka ny andininy fah- 121 amin’ny didim-panjakana 63-253 tamin’ny 09 may 1961. Koa mila averina ny principe hoe "Force doit rester à la loi". Ho sahirana ianareo zandary sy polisy ary tafika raha vitavita ho azy ny toy izao », hoy ity manamboninahitra misotro ronono izay efa Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria na SEG teo aloha ity. Raha tsiahivina , efa nisy tranga mitovitovy amin’izao tao Imeritsiatosika ny desambra 2020 fony izy SEG, ka nilazany tamin’izany hoe : « aza manafika tobin’ny mpitandro ny filaminana fa matimatimaty foana ». Rehefa zohiana, nandao ny toby, niaro ny ainy ireo zandary, ka tavela teo ny toby. Mety zava-doza hafa, toy ny ra mandriaka ihany koa raha niaro ny toby izy ireo, izay mety ho afaka nanapoaka ny basiny. Manokatra adihevitra hatrany moa itony tranga itony hoe : sao misy zavatra tokony jerena mikasika ny fifandraisana sy ny fiarahamonin’ny sivily sy ny manam-basy sao efa misy otrik’ady ka mirefotra rehefa misy zavatra mety hampitroatra ? Efa tena zava-doza ny fikomiana sy fanafihana tobin’ny mpitandro ny filaminana izany, ary tena fandikan-dalàna mihoampampana. Tsy manome rariny ny fandikan-dalàna sy ny fitsaram-bahoaka fa mila halalinina ihany koa hoe : nahoana no tonga amin’ireny ny olona ? Mitambatra ve ny hatezerana noho ny anton-javatra maro, ny fahantrana, leo tsy fandriampahalemana, leo fanararaotam-pahefana,… ka any amin’ny fihetsika tahaka ireny no hanalany ny fony ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT