Fandriampahalemana

Ivato tsena Vehivavy no deba mpaniraka ireo mpivarotra rongony


  • Alarobia 30 Novambra 2022

Tovolahy iray 24 taona no saron’ny Polisy avy amin'ny sampan-draharaha miady amin'ny fiparitahan'ny zava-mahadomelina nivarotra rongony tao amin’ny tsenan’Ivato afak’omaly alatsinainy tokony ho tamin’ny 02 ora

folakandro. Toeram-pisotroana iray no nahazoana fitarainana tamin'ny olona teny an-toerana mikasika ny fisian’io lehilahy mivarotra rongony io. Rehefa nisavaina tokoa io toeram-pisotroana io dia tratra tao ity lehilahy ity izay nahitana rongony 16 fonosana. Nentina avy hatrany teny amin'ny birao nanaovana fanadihadiana izy ka nanambaran'ity tovolahy ity fa vehivavy iray no tompon'ireo rongony ireo ary apetrany any aminy ka rehefa misy mividy dia tonga ity vehivavy ity maka izany. Fantatr'ilay tompon’ity trano fisotroana ity ny fisian'ireo rongony ireo sy ilay mpivarotra. Tsy tao an-toerana anefa ilay vehivavy nolazainy fa tompon'ireo rongony ireo tamin'ny fotoana nahatongavan'ny Polisy nisambotra azy. Nadoboka am-ponja vonjimaika omaly ny tovolahy.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay tovolahy tratra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT