IVANDRY

Vehivavy roa tratra nivaro-drongony tamin’ny mpianatra


  • Alarobia 17 Janoary 2024

Vehivavy miisa roa, 44 sy 25 taona no voasambotry ny

Sampan-draharahan'ny Polisim-pirenena misahana ny ady amin'ny zava-mahadomelona( STUP) Anosy teny Ivandry afak’omaly Alatsinainy 15 janoary tokony ho tamin’ny 11 ora rehefa nivarotra rongony. Vaovao avy amin'ny olona tsara sitra-po no nahafantaran'ny Polisy ny fisian’ireto vehivavy mivarotra rongony eny Ivandry ireto, indrindra amin'ireo mpianatra eny an-toerana. Manoloana izany dia nandray andraikitra avy hatrany ny tompon’andraikitra, nidina teny an-toerana nijery ny zava-misy. Nahitana rongony miisa 06 fonosana teny amin'izy mirahavavy rehefa nosavaina. Tamin'ny fanadihadiana dia fantatra fa eny Sabotsy Namehana no mpamatsy rongony azy ireo, ary mpianatra eny Ivandry sy ny manodidina no anisan'ny mpanjifa ireo zava-mahadomelina hamidiny. Omaly no niakatra fampanoavana izy mirahavavy ka naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati
Legende : Efa any am-ponja izy mirahavavy ireto mizaka ny vokatry ny nataony !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT