Fandriampahalemana

IVANDRY Nasian’ny olona soratra hoe : « mpangalatra 2023 » ilay olon-dratsy


  • Alakamisy 05 Janoary 2023

Sahirana ny tokantrano Malagasy. Tsy vitsy ireo lasa manaotao foana noho izany indrindra fa ireo tsy an’asa. Raim-pianakaviana iray 38 taona

omaly alarobia 04 janoary tokony ho tamin’ny 6 ora no tratra nanongotra tafon-tsena teny Ivandry Pullman. Tratran'ny fokonolona ambodiomby mihitsy izy io. Tsy nahatana ny hatezerany ireto farany noho izany fa samy nikasi-tanana avokoa ka saika matin’ny fitsaram-bahoaka ity farany no tonga ny polisy. Efa nasian'ireo fokonolona soratra hoe " mpangalatra 2023" moa ity olon-dratsy ity. Noentina avy hatrany teny amin'ny biraon'ny Polisy izy ho fiarovana ny ainy sy ho fanadihadiana azy, ary efa nametraka fitoriana eo anivon'ny Polisy ilay nihara-boina.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra tariby amin'ny RN1
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Fahavalom-pirenena

  • HAFATRY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

NY POLISIM-PIRENENA

  • HERISETRA,
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

VONO OLONA, FAMONOAN-TENA

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

Hijery ny tohiny
FTT