Fandriampahalemana

Itaosy Noratrain’ny mpanendaka ny tarehin’ilay vehivavy


  • Zoma 28 Aogositra 2020

Vehivavy iray no nendahina tovolahy iray mpanendaka teny amin’ny Cité des Assureurs Itaosy,

 

 

omaly maraina. Raha ny filazan'ity vehivavy ity dia nosintonin’ity mpanendaka ity ny finday teny an-tanany ary mbola narahiny antsy lava lela nandratrany ny tarehiny izany, taorian’izany. Tsy lasa lavitra anefa ilay mpanendaka fa vetivety ihany dia tratra saingy mbola nandà mafy ihany. Nisy olona roa nijoro vavolombelona nilaza fa nahita tsara ny zava-niseho anefa nandritra izany ka nentina teny amin’ny paositry ny polisy avy hatrany ilay tovolahy ary efa any am-pelatanan'ny mpitandron'ny filaminana. Tsiahivina moa fa lasa faritra mena amin’ny asa fanendahana ihany koa Itaosy tato ho ato. Amin’ny 05 ora hariva dia efa misy mpanendaka ka maro ireo efa lasibatra.

 

 

 

Sary nindramina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT