Fandriampahalemana

Itaosy, Ambohibao, Ankaraobato Olona 4 no tratra nivarotra sy nifoka rongony


  • Alarobia 02 Desambra 2020

Lehilahy miisa 03 sy vehivavy 01 no voasambotry ny sampan-draharahan’ny

 

 

Polisim-pirenena miady amin’ny zava-mahadomelina tamina toerana maromaro teto antananarivo Renivohitra ny alatsinainy 30 novambra sy omaly talata 01 desambra noho ny fivarotana sy fifohana rongony. Vokatry ny fiaraha-miasa akaiky teo amin’ny STUP sy ny vahoaka no nahazoana ireo vokatra ireo. Teny Bemasoandro Itaosy moa no tratra ilay vehivavy ny alatsinainy 30 novambra teo tokony ho tamin’ny 10 ora maraina. Tamin’ny fisavàna natao azy dia mbola nahatrarana rongony 40 fonosana tao amin’ilay trano fivarotany ireo zava-mahadomelina ireo. Tokony ho tamin’ny 02 ora tolakandro kosa no tratra ny lehilahy 01 sady mpivarotra no mpifoka rongony teny Ambohibao Morondava. Rongony 01 haron-kely milanga 300 grama sy fonosana 01 no tratra teny aminy. Lehilahy iray monina eny Antsahasoa Ankaraobato ihany koa no tratra omaly Talata 01 desambra tokony ho tamin’ny 06 ora maraina. Nogiazana ireo rongony miisa 238 fonosana tratra tao aminy. Lehilahy iray hafa monina eny Ankady, Tanjombato izay malaza amin’ny fifohana rongony koa no nosamborina omaly ihany tokony ho tamin’ny 08 ora maraina. Rongony 01 fonosana no tratra tany aminy. Samy natolotra ny fampanoavana omaly talata 01 desambra avokoa moa izy ireo.

Pati

Legende : Ireto ireo mpivaro-drongony tratra

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT