ITAMPOLO TOLIARA

Nahatrarana rongony 19 gony nentin’ny lakana


  • Alakamisy 12 Oktobra 2023

Miparitaka sy mahazo vahana hatrany ny rongony eto amintsika.

Rongony 19 gony omaly no sarin’ny zandary tao amin’ny kaominina ambanivohitra Itampolo, distrikan’i Toliara II. Avy any Saint Augustin ireo rongony ireo raha araka ny fantatra ary nokasain’ny tompony haparitaka. Ireo mpitondra lakana anefa no tratra na izany aza fa ilay tompony rongony kosa mbola karohina hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Tsy niandry ela moa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny fa avy hatrany dia niroso tamin’ny fandorana ireto zava-mahadomelina ireto. Tsiahivina moa fa ankoatra ireo efa mpandray ity karazana zava-mahadomelina ity dia ireo ankizy mpianatra no tena kendren’ireo mpanaparitaka izany ho lasa mpanjifany vaovao indray ka tokony handraisana fepetra manokana mihitsy.
Pati
Legende : Ity ilay lakana tratra nitondra rongony tany Itampolo omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT