Fandriampahalemana

Isotry Zaza 13 taona , tratra nanao sinto-mahery


  • Talata 20 Desambra 2022

Zaza tsy ampy taona roa 13 taona sy 15 taona no tratra nanao sinto-mahery teny amin’ny tetezan-dRamala Isotry ny faran’ny herinandro teo.

Nikasa ny hanao sinto-mahery kitapon'olona mpiantsena tao Isotry izy roalahy ireto no tratra. Tsy nampoizin'izy ireo anefa ny fisian’ny Polisy manao fanamiana sivily efa manara-maso azy ireo. Nosamborina avy hatrany izy roalahy nandritra izany ka tsy afa-nitsoaka intsony. Raha araka ny fantatra moa dia noho ny fahatongavan’ny fety no nanosika azy ireo hangalatra toy izao. Nalefa eny anivon'ny sampana miandraikitra ny zaza tsy ampy taona eny Tsaralalàna izy ireo hanaovana fanadihadiana manokana.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy roalahy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT