Fandriampahalemana

Isotry Tratra ilay mpisintona firavaka anaty Taxibe


  • Alarobia 25 Novambra 2020

Lehilahy iray 18 taona no tratra nanao sinto-mahery teny Isotry omaly tokony ho

 


tamin'ny 09ora maraina.
Firavaka volafotsy ana ramatoa iray tao anaty taxibe no nosintoniny ka nenjehin’ny fokonolona ity farany ary nentiny tao amin’ny kaomisarian’ny polisy tao amin’ny 67 ha. Rehefa tazany lavitra io Ramatoa io tao anaty taxibe dia narahiny ilay fiara nitondra azy ka rehefa tratran'ny fitohanana dia nosintoniny ny rojo volafotsy teny amin’ny tendany. Rehefa natao ny famotorana azy dia isan'ireo efa mpanao sinto-mahery eny amin'iny faritry 67Ha sy manodidina iny ity jiolahy ity ary efa mpamerin-keloka ihany koa. Natolotra ny fampanoavana omaly ny lehilahy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT