Fandriampahalemana

Isotry sy ny manodidina Mpanendaka 5 lahy indray tratra


  • Alatsinainy 08 Novambra 2021

Lehilahy miisa dimy no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny boriborintany fahatelo Antaninandro sy fahaefatra etsy isotry ny 06 novambra teo tokony ho tamin’ny 03ora tolakandro rehefa avy nanendaka.

 Mitohy hatrany ny ezaka hataon’ny mpitandro ny filaminana amin’ny famongorana ireo mpanao ratsy mba hisian’ny fandriam-pahalemana eto an-drenivohitra. Teny amin’ny Rond Point Bmh izy ireo no tratra. Samy teo am- panaovana ny asa ratsiny avokoa izy ireo no saron’ny Polisy nanao fanamiana sivily. Ny iray kosa dia sarona noho ny fiaraha-miasa tamin’ny polisin’ny Compagnie Urbaine de Circulation izay efa hikoizana amin’ny harom-paosy eny amin’iny faritra Isotry sy Andavamamba iny. Ny 07 novambra 2021 tokony ho tamin’ny 11ora sy sasany dia mpanendaka iray 19 taona no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Boriboritany fahatelo Antaninandro sy ny BFP tao amin’ny tsenan’ Andravoahangy ity farany izay fantatra fa dokeran’ ny tsena ihany ary anisan’ny efa karohin’ny Polisy eny an-toerana ihany koa.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT