Fandriampahalemana

ISOTRY Lehilahy 3 tratra avy namaky trano


  • Alatsinainy 04 Mey 2020

Lehilahy telo no voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP4 Isotry sy ny voamieran’ny Fandriam-pahalemana omaly alahady fa 03 may 2020 teny amin’ny faritr’i Manarintsoa iny rehefa avy namaky trano.

 

 

 

 

Manoloana ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana nandritra ny fotoam-pihibohana dia nampitomboina ny fisafoana nataon’ny polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP4 amin’ny alina, ary iarahana amin’ireo voamieran’ny fandriam-pahalemana rehetra eny an-toerana izany. Tokony ho tamin’ny 03 ora maraina no nandalo teo amin’ny faritra Vorodamba ireo mpanao fisafoana ireo. Nifanehatra tamina lehilahy 03 nitondra fitaovana maromaro izy ireo tamin’izany ka dia nosakanana avy hatrany ireto farany. Rehefa nosavaina izy 03 lahy dia nahitana fitaovana toy ny baramina sy antsy ary fitaovan-dakozia maro teny amin’izy ireo. Nogiazana avy hatrany ireo entana ireo ary tamin’ny fanadihadiana azy ireo no nahafantarana fa entana azony tamina trano iray vao avy nataony teny amin’ny manodidina ireto farany. Mbola mitohy ny fanadihadiana.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT