Fandriampahalemana

Isoanala betroka Olona 2 maty rotiky ny bala


  • Zoma 14 Aogositra 2020

Mitohy ny fikarohana ireo olon-dratsy roalahy nitifitra nahafaty mpampianatra iray sy lefitry ny lehiben'ny fokontany, tany Antsonjomalinika, 6 kilaometatra miala an'Isoanala Betroka.

 

 

 

 Ny Alahady teo no nitrangan’izany tany an-toerana tokony tamin'ny 7 ora sy sasany hariva. Avy namonjy fetim-pianakaviana avy tany Sakoamasy ilay mpampianatra sy ny lefitry ny sefom-pokontany tamin’io fotoana io. Niara-dalana hody izy ireo ary nisy namana iray nanatitra. Teny an-dalana, tao anaty haizina anefa, nisy roalahy mitam-basy nanakana azy ireo. Tafaporitsaka ilay mpanatitra ary nampandre ny fokonolona sy ny zandary avy hatrany. Ilay mpanabe sy ilay namany kosa rotiky ny balan'ireo jiolahy. Nahitana diam-bala efatra ny iray ary roa ny iray hafa. Lasan'ireo nitifitra ny fananana kely teny amin'izy mirahalahy. Misokatra ny fanadihadiana mikasika ity raharaha vono olona ity.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT