Fandriampahalemana

Isan’ny manamboninahitry ny zandary Manara-penitra ny anay, hoy ny SEG


  • Alakamisy 11 Janoary 2018

Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny zandarimariam-pirenena fa tsy araka ny fanakianana mandeha amin’izao fotoana amin’ny fanomezana grady sy ny fitsinjarana azy, hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (SEG), Jeneraly Randriamahavalisoa Girard ny talata teo.

 

 Nahabe resaka mantsy ny fanondrotana grady maro be teo anivon’ny mpitandro ny filaminana, vao tsy ela akory izao. Ho an’ny zandarimariam-pirenena, 2 ihany ny “Général de corps d'armée”, dia ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria teo aloha Paza Didier Gérard sy ny minisitry ny Toekarena Herilanto Raveloarison. 20 kosa ny “Général de division” ary 28 ny “Général de Brigade”. Ny isan’ny zandarimaria amin’izao fotoana dia 14.126. Raha atao ny antontan’isa, manome 0,35% ny fitambaran’ireo jeneraly rehetra miisa 50. Miisa 255 ny manamboninahitra ambony (commandants, Lieutenant-colonel, Colonel), izay manome 1,81% ; ny manamboninahitra (officier subalterne, sous-lieutenant, lieutenant, capitaine) dia 602, izay 4,26%. Ny ZP2, ZP1,… kosa miisa 4.507, izay manome 31,9% ary ny zandary “hors classe” midina hatramin’ny mpiana-draharaha kosa dia 8.712, ka 61,67% ny salanisan’izy ireo eo anivon’ny zandarimariam-pirenena.   Miisa 117 kosa ny basy sarona tamin’ity taona ity, ka ny 45 tamin’ireo dia basy fampiasan’ny mpitandro ny filaminana ho an’ny taona 2017. Raha ny resaka fitsaram-bahoaka indray, 68 no maty, 64 ny trangana fitsaram-bahoaka ka ny 6 no voasakana, 38 olona voasambotra.  Ao anatin’ny fanadiovana moa ny zandarimariam-pirenena, saingy tsy roahina amin’izao ilay olona fa misy lalàna mifehy azy, hoy ny SEG. Misy ny filankevi-pifehezana na ny CODIS ho an’ireo tsy mbola nahavita 5 taona mihoatra vao tena raikitra fa mbola sokajiana ao anatin’ny hoe “contractuel”. Miditra amin’ny hoe “Conseil d’enquette” kosa raha efa mihoatra ny 5 taona teo anivon’ny zandarimaria, ary hatramin’ny jeneraly no voakasik’izany raha misy ny fandikan-dalàna. Ho an’ireo manamboninahitra dia miisa 7 izany amin’izao. Ho an’ny manamboninahitra lefitra kosa dia 17 no efa vita tamin’ny taon-dasa, ary 57 no mbola mandeha amin’izao fotoana. Ny voaroaka ho an’ny manamboninahitra lefitra dia 15, ka resaka fitsipi-pifehezana ny ankamaroany. Raha resaka kolikoly, dia voafafa hatramin’ny fisotroan-dronono. Na  efa 40 taona nanaovana ny asan’ny zandarimaria aza ka tratra dia tsy mahazo fisotroan-dronono na ariary aza.

Toky R/J.Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT