IMERINTSIATOSIKA

Toeram-pivarotana 3 voatafika, lasa ny vola 1.040.000 Ar


  • Alatsinainy 08 Aprily 2024

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana ao Imerintsiatosika.

Toeram-pivarotana miisa 03 no indray notafihan’ny jiolahy15 lahy, izay nitondra basy ny Sabotsy 06 Aprily teo tokony ho tamin’ny 09 ora sy sasany alina. Basy nirefodrefotra ny nidiran’ireo tsy mataho-tody ny tananan’i Soavinarivo, Fokontany Fiantsonana, kaominina Imerintsiatosika, distrikan'Arivonimamo nampitahorana ireo mponina. Voaroba avokoa ireo toeram-pivarotana ireo vokatr’izany raha olona miisa 2 kosa no naratra. Vola mitentina 01 tapitrisa Ar mahery no lasa tao amin'ilay fivarotana voalohany miampy kojakoja maro toy ny finday, radio, ilay faharoa kosa nahazoany vola 40 000 Ariary miampy enta-madinika maro toy ny siramamy, menaka, zavam-pisotro, convertisseur, vatoaratra, sns...Ilay fivarotana fahatelo ihany koa mbola lasibatra saingy vory haingana ny fokonolonka lasa nitsoaka ireo mpanao ratsy. Narian’izy ireo teny an-dalana moa ny entana sasany rehefa nifanehitra tamin’ny zandary izy ireo. Mbola tsy nisy ny voasambotra hoy ny vaovao. Mbola nilaza ny hiverina moa ireo jiolahy hany ka mihorohoro fatratra ny mponina.
Pati
Legende : Tsy milamina ny fandriampahalemana eto Imerintsiatosika !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT