Fandriampahalemana

Imerintsiatosika Notafihina andian’olona ny tobin’ny zandary


  • Alatsinainy 28 Desambra 2020

Ny sabotsy 26 desambra teo anelanelan’ny tamin’ny 8ora-09 ora alina teo no efa

 

 

niely ny resaka mombana fahatrarana lehilahy antsoina hoe Liva Kely teo am-pofohana rongony, araka ny resaka niely tao Imerintsiatosika. Voalaza fa saika hitsoaka, saingy notifirin’ny zandary ka voatifitra teo amin’ny lohany, ary ora manodidina an’izany no nisy feom-basy, hoy io resaka io. Nisy ny andian’olona maro be tonga nanafika ny tobin’ny zandary avy eo. Nandiso tanteraka izany koa ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Manoloana ny vaovao tsy marina ahely amin'ny tambazotra Facebook mikasika ny fanafihana sy fanapotehana ny tobi-paritry ny zandarimariam-pirenena ny alin'ny 26 desambra 2020 ao Imeritsiatosika dia tsara ny hanazavana ny tena zava-nisy sy marina, hoy izy ireo. Ny 26 desambra 2020 tokony ho tamin'ny 01 ora maraina, dia nahazo antso tamin'ny 119 ny zandary fa misy jiolahy manafika tranon'olon-tsotra ao an-tampontananan'i Imeritsiatosika. Rehefa namonjy tao amin'ilay toerana voatafika ireo zandary dia lasa nitsoaka ireo jiolahy. Nitohy ny fikarohana ireo olon-dratsy niaraka tamin'ny niharam-boina ka hita ny jiolahy iray. Rehefa nahita zandary izy io dia nitsoaka ka nifanenjehana. Nitsambikina tamin'ny tamboho izy kanjo nianjera tany ambany ka ny lohany no nianjera taloha, hoy ny zanadry. Naratra mafy ka nentina tany amin’ny hopitaly kanjo tsy tana ny ainy. Tao aorian'izay no nisy naparitaka feo ireo jiolahy namany fa maty voatifitry ny zandary izy ka nitarika nanafika ny tobin'ny zandary, hoy ny fanazavana.

KILA NY TAO ANATY TOBY, 6 VOASAMBOTRA

 Araka ny toro-marika sy baiko no mena dia tsy maintsy miaro ny Toby ireo zandary ary tokony hiaro-tena ihany koa. Ka afaka mampiasa ny fitaovana eo ampelatanany hanatanterahana izany. Tifi-danitra sy baomba mandatsa-dranomaso no nampiasaina hanaparitahana ireo mponina nandrava. Efa nomena baiko manokana ihany ireo zandary fa "rehefa tsy misy azo anoharana manoloana ny fanafihana ny toby dia afaka mitifitra ianareo". Zandary mpanao vonjy taitra an-jatony, izay notarihin'ny Jeneraly Komandin'ny Fari-piadidiana Antananarivo, avy aty Antananarivo sy Arivonimamo no nalefa nanampy ireo tao an-toerana. Vokany, tsy nisy aina nafoy saingy zandary 3 no naratra, potika tanteraka ny tambohon'ny toby, nahitàna faharavàna 50% ny biraon'ny toby, motos miisa dimy (5) no may (3 an'ny Zandarimaria, 2 an'ny zandary miasa ao). Marihina fa efa nisy toy izao tao Imerintsiatosika tamin'ny fotoana Tetezamita fa tsy nisy fisamborana tamin'izay ka tsy mety fay ny olona sasany, fa amin'ity indray mitoraka ity dia ampiharina ny maha-tany tan-dalàna an'i Madagasikara, hoy ny zandary. Hatreto, olona 6 no efa voasambotra izay ananana porofo fa nahavita ny fanafihana sy nandrava ny toby. Hivoatra izany satria efa namboraka ireo namany izy ireo. Marihina ihany koa fa efa manana Tobi-paritra vaovao ny Zandarimaria ao Imeritsiatosika. Aoka tsy ho voasariky ny tsaho fa marina ihany no lazaina, hoy ny Zandarimaria. Mifamahofaho ity raharaha ity, ka andrasana ny tohiny.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT