Fandriampahalemana

Ilanivato Anosipatrana Niditra an-keriny tao an-tranon’olona ilay lehilahy


  • Zoma 10 Martsa 2023

Tena efa miditra an-keriny ao an-tokantrano amin’ny andro atoandro amin’izao ireo tontakely sy mpangalatra. Lehilahy iray 42 taona ny alarobia 08 martsa teo no tratra nanao izany teny Ilanivato Anosipatrana.

Tratra ambodiomby nanapitsoka varavarana mihitsy ity olon-dratsy ity ary nikasa ny hibata ireo entana rehetra tao anatiny. Nahalala niantso polisy avy hatrany anefa ireo olona tsara sitrapo teo amin’ny manodidina nahita izany ka rehefa natao ny fisavana dia mbola hita teny amin’io tontakely io ny marto sy hety miisa roa nanaovany ny asa ratsiny. Mila mitandrina ny rehetra manoloana izany ka hametraka olona miambina ny trano hatrany na koa hanamafy ny hidin-trano rehefa misy dia tsy maintsy aleha.
Pati
Legende : Ity ilay tontakely miditra an-tranon’olona tampoka amin’ny andro atoandro
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT