Fandriampahalemana

Ikongo Gadra 13 niverina ao am-ponja


  • Zoma 29 Desambra 2017

Telo herinandro taorian’ny rotaka, ka nahavaky ny fonjan’Ikongo ny 13 desambra 2017 ary koa nakan’ny fanjakana ireo mpiasan’ny fitsarana tany an-toerana, dia tsy mbola misy mpiambina ny fonja any Ikongo fa miandry fanendrena vaovao.


 Tsy ahitana solontenan'ny fitsarana ihany koa any an-toerana. Nivoitra io ny alarobia 27 desambra teo, nandritra ny famangiana ny fianakavian'ilay zandary iray lavo am-perinasa tamin’ny iraka nampanaovina azy tany Ikongo noho io rotaka io, famangiana notanterahin'ny lehiben'ny CIRGN ao Fianarantsoa. Nivoitra tamin’io fihaonana io ihany koa fa 13 hatreto no isan'ny olona nigadra niverina amin’ny nahim-pony ao am-ponja amin'izao fotoana. Zato mahery kosa no mbola karohina. Ady tany izay nahafatesana olona telo no niandohan’ity raharaha Ikongo ity. Notanana am-ponja vonjimaika tao Ikongo ireo olona niisa fito voarohirohy tamin’ireo vono olona ireo. Nana-pakevitra ny hamindra ireto farany an-toeran-kafa ny fitsarana. Saika hafindra tao Mananjary, tsy tontosa izay ka nalefa ao Ankazondrano Fianarantsoa no niafarany. Nandeha ny feo fa miriaria any ny sasany tamin’ireo voarohirohy ireo. Tezitra ny fianakaviana manana ny maty, ka vahoaka an-jatony, 800 raha ny tombana, nanao rodobe avy any amin’ny 53km tonga tao Ikongo ny alarobia 13 desambra 2017 hikaroka ireo voarohirohy ireo tao am-ponja hampiharana fitsaram-bahoaka. Tsy tao ireo nokarohina fa efa nafindra toeran-kafa. Nanomboka teo ny rotaka satria niahiahy ireo vahoaka maro ireo fa navotsotra ireo mpamono olona. Vaky ny fonja, tafavoaka ireo voafonja efa 120 tao anatiny. Niantefa tany amin’ireo mpitsara sy mpandraharaha ny fonja koa ny hatezeran’ny olona. Samy nanavo-tena niafina ireo mpitsara sy mpandraharaha ny fonja. Nisy efatra tamin’ireo farany efa saika takalonaina fa navotsotry ny olona. Ny alakamisy ampitson’io dia efa niverina ny filaminana. Na izany aza, tonga tany Ikongo ny andiana mpitandro ny filamilanana hampandry tany. Ny sabotsy 16 desambra ny andiany faharoa no nizotra nankany hanamafy ny fandriampahalemana saingy tra-doza teny an-dalana, tao Ambinanitromby, 28km tsy hahatongavana ao Ikongo noho ny rano niakatra vokatry ny rotsak’orana betsaka. Lasan’ny rano ny kamiao iray nitondra azy ireo. Zandary iray, polisy roa ary miaramila enin-dahy no namoy ny ainy tamin’io loza io. Hita avokoa ny razana sy ny basy nentin’izy ireo. Nakarina tao Fianarantsoa avokoa ny razana ny alarobia 20 desambra, niaraha-niaretan-tory tao amin’ny faritany miaramila faharoa, toby Kolonely Joel Rakotomalala-Besorohitra ka tao no nakan’ny fianakaviany isanisany azy ireo ny ampitson’io. Nandefa helikoptera in-droa nisesy tany Ikongo ny fanjakana, naka ireo mpiasan’ny Fitsarana tao an-toerana, nahitana mpitsara sy mpandraharaha ny fonja ary dia banga hatramin’izao ny toerana nisy azy ireo.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

  • ANOSIBE
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty voatifitra teo

  • Asa ratsy sy halatra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

eny amin'ny RN7 Lasibatry ny jiolahy ny fiara

  • Fandorana Kaomisaria sy herisetra tao Vohémar
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hisy fanenjehana ara-pitsarana ireo tompon’antoka

  • Tsiroanomandidy Ville
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Voasambotra ireo jiolahy

  • MAHAJANGA
  • Talata 14 Aprily 2026

Tambajotra mpangalatra moto iray sarona

Hijery ny tohiny
FTT