IHOSY

Vehivavy no tompon-dakan’ny halatra finday


  • Talata 23 Aprily 2024

Vehivavy no tompon-dakan’ny halatra finday any amin’ny distrikan’Ihosy.

Vehivavy iray manodidina ny 35 taona no nosamborin'ny Polisy tany an-toerana ny 20 Aprily lasa teo rehefa tra-tehaka nangalatra tao amin'ny mpivarotra kojakoja momba ny finday ao amin'ny Fokontany Tanambao. Finday miisa 08 be izao niampy kojakoja hafa toy ny "chargeurs" miisa 25 ary "batteries" miisa 23 no nangalirin'ity ramatoa ity. Nifanenjehan'ny fokonolona sy ny Polisy moa ity farany nandritra izany ka tratra niaraka tamin'ireo entana halatra ireo. Rehefa nanontaniana ity mpangalatra ity dia nilaza fa tsy an’asa nefa mamelon-janaka, antony mampanaotao foana azy tahaka izao. Tsiahivina moa fa saika tsy an’asa avokoa ireo mpangalatra sy mpanendaka eto amintsika saingy na izany aza tokony tsy tokony hambotry ny mpiara-belona tahaka izao izy ireo.
Pati
Legende : Ity ilay Ramatoa tratra nangalatra finday tao Ihosy !

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT