IHOSY

Lehilahy iray hita faty tsy nisy loha intsony


  • Zoma 03 Novambra 2023

Mitohy hatrany ny fanapahan-doha sy ny fakana voamason’olona any amin’ny distrikan’Ihosy.

Lehilahy iray manodidina ny 45 taona eo ho eo, mpivaro-kena no fantatra fa maty nisy namono tao Antanameka omaly maraina. Ny tena mampalahelo tamin’ity tranga ity dia nisy nanapaka ny lohany ary mbola tsy hita hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Raha araka ny vaovao azo hatrany moa dia vokatry ny hamaroan’ireo mpisikidy izay mila sorona hanomezana ody ratsy ireo dahalo mpangalatra sy mpamono olona any amin’iny faritra iny no antony mahatonga izao vono olona arahin’ny fanapahana loha izao. Toraka izany koa ny fitadiavan’ireo mpimasy fahefana avy any amin’ny hery hafa tsy fantatra mba hahafahany mampitombo ny heriny. Ireo tovolahy tsy an’asa izay tena maro an’isa any amin’iny distrika ity moa no tena voasarika hanao izao asa ratsy mampatahotra izao, koa hanaovan’ny mponina antso avo amin’ny Fitondram-panjakana.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ilay razana hita efa tsy nisy lohany intsony ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra tariby amin'ny RN1
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Fahavalom-pirenena

  • HAFATRY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

NY POLISIM-PIRENENA

  • HERISETRA,
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

VONO OLONA, FAMONOAN-TENA

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

Hijery ny tohiny
FTT