Fandriampahalemana

IHOSY Jiolahy efa nifonja tao Tsiafahy no maty voatifitra


  • Alakamisy 17 Febroary 2022

Jiolahy iray 32 taona no lavon’ny balan’ny Polisy tao Ihosy ny 15 febroary atoandro teo tao amin’ny fokontany Tanambao rehefa nanao fanafihana mitam-piadiana.

Jiolahy efa rain-dahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana any amin’iny faritra Ihorombe sy ny manodidina iny ity jiolahy ity ary efa nifonja tao Tsiafahy . Ny 10 febroary lasa teo raha tsiahivina dia naharay fitarainana mahakasika fahaverezana moto tao amin’ny fokontany Tanakompania ny polisy, tranga niseho tokony ho tamin’ny 03 ora maraina. Rehefa nataon’ny Polisy ny angom-baovao mahakasika ity fahaverezana moto ity dia nisy nahita tao anaty lobolobo teny Tanambao io moto very io ary tsy lavitra io toerana io ihany koa no misy trano fonenan’ity jiolahy nangalatra azy. Rehefa natao ny fisavana ny trano fonenan’ity jiolahy dia nahatrarana karazan’akanjo maromaro amin’ny gony, basy vita gasy iray, karazana lovia isan-karazany ary lay misy odimoka vaovao anaty fonosana maromaro. Ireto entana tratra ireto izay fantatra fa halatra nataon’izy ireo ny alin’ny 20 janoary 2022 lasa teo tao amin’ny fokontany Fanjakamandroso. Tao amin’io toerana io ihany koa no nahatrarana ireo karazana gadena, antsy lava, marteau, tourne vice izay nafenin’ity farany ka voatifitra rehefa nikasa ny handositra. Mitohy ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity sy ny fikarohana ireo namany.

Pati
Legende : Nihosin-dra tahaka izao ilay jiolahy tratra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT