IFOTAKA AMBOASARY ATSIMO

Zazalahy kely 15 taona maty notapahin-doha


  • Zoma 17 Novambra 2023

Nitrangana vono olona feno habibiana indray tany Ifotaka, distrikan’Amboasary Atsimo ny 15 Novambra lasa teo.

Zazalahy kely iray manodidina 15 na 16 taona teo ho eo no notapahan'ny jiolahy ny lohany ka namoy ny ainy avy hatrany. Olona sendra nandalo no nahita ny lohan’io zaza io natao tsara fono tao anaty harona sachet plastika miloko mainty. Niantso ny tompon’andraikitra iretsy voalohany manoloana izany ka nosavaina ary indro fa mbola nahitana ra ilay loha avy noparahina. Vao tsy ela moa raha ny tombana no nanapahana ny lohan’ity zaza tsy manan-tsiny ity izay mbola tsy fantatra hoe : saika hataon’ireo jiolahy mpamono olona inona ? Olona telo kosa no efa tratra koa andrasana izay mety ho tohin’ny raharaha. Efa miatrika fanadihadiana lalina izy ireo hoy ny vaovao.
Nangonin’i Pati
Legende : Izy telolahy sy ilay lohan’olona notapahiny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT