Fandriampahalemana

Ifarihy - Tanjombato Tratry ny vela-pandrika ilay mpivarotra rongony


  • Alarobia 23 Febroary 2022

Lehilahy iray 20 taona nivarotra zava-mahadomelina no voasambotry ny polisy tamin’ny Alatsinainy lasa teo teny Ifarihy/Tanjombato.

Nametraka paik’ady ny Polisim-pirenena miasa ao amin’ny commissariat central Atsimondrano mba hamongorana sy hahatrarana ireo mpanao ratsy ao aminy. Fantatr’izy ireo ny olona mpamatsy zava-mahadomelina amin’iny faritra iny izay isan’ny antony mahatonga ireo zatovo irona amin’ny fanaovana asa ratsy rehefa mahazo sy maharay izany. Natao ny fanaraha-maso sy ny vela-pandrika tamin’ny alalan’ny fampiasana ireo Polisy manao fanamihana sivily ka tra-tehaka niaraka tamin’ny rongony ny lehilahy izay nofonosina sy naorina tao anaty sakaosy. Mipetraka eny amin’ny faritra Ambatobe/Ambohijanaka ny lehilahy ary misy manatitra ao aminy izany. Mivarotra antsinjarany indray ity lehilahy ity aorian’izany hamatsiany ireo zatovo eny Ifarihy.

Pati

Legende : Ity ilay lehilahy tratra nivarotra rongony teny Ifarihy Tanjombato

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT