Fandriampahalemana

Idanda Fianarantsoa Mpamaky trano roa no tratra


  • Zoma 22 Mey 2020

Lehilahy miisa 02 no voasambotry ny polisim-pirenena avy ao Idanda Fianarantsoa ny alarobia faha 20 mey teo noho ny resaka vaky trano. Vehivavy

 

 

 

 

 iray monina ao Ambonifahidrano no tonga nametraka fitoriana teo anivon’ny CSP2 Idanda Fianarantsoa ny tamin’io andro io noho ny fahavakian’ny tranony. Very tamin’izany ny fitaovan-dakozia rehetra, bisikileta 02, ary vata fahitalavitra 01. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny polisy ka tamin’io andro io ihany dia nahazo loharanom-baovao mahakasika ny fisiana tovolahy 02 mampiahiahy ny mponina. Nosamborina avy hatrany izy roalahy ireo izay 25 taona sy 24 taona, monina manodidina fokontany Ambonifahidrano ihany koa. Nandritra ny fisavàna ny toeram-ponenan’izy ireo dia tra-tehaka tao avokoa ireo entana vao avy nangalariny. Aorian’ny fanadihadiana izay mbola hatao amin’ireto olon-dratsy ireto dia haverina amin’ny tompony ireo entana ireo.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT