Fandriampahalemana

Houcine Arfa Mbola manana lezionera namana miriaria eto


  • Talata 23 Janoary 2018

Marobe ny fanontaniana mipetraka kanefa tsy voakasiky ny fanadihadiana akory momba ny raharaha Houcine Arfa. Feno basy tao an-tranony tamin’ny fotoana nisamborana azy teny Ambolokandrina, ary karazany maro mihitsy izany.


 Feno vola ihany koa, ireo moa dia avy hatrany dia nogiazan’ny “brigade criminelle” tao amin’ny biraony ary tsy fantatra izay niafarany satria tsy nisy tatitra hatreto ny aminy na narotsaka tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana na tsia. Vola devizy izay mitentina 215 tapitrisa ariary, raha avadika vola Malagasy. Betsaka ny mihevitra fa basy avy ao amin’ny prezidansa ihany ireo nalain’i Houcine tsikelikely ireo ary napetrany tao   an-tranony. Inona ary no tena tanjon’ity lehilahy ity ? Ny hoe mpitsikilon’ny frantsay aloha dia azo heverina hatrany, tsy misy olona tafavoaka fotsiny amin’izao ary moramoraina ny fiverenany tany amin’ny fireneny na dia voaheloka azy izy teto amintsika. Ny hoe hifofo ny ain’ny filoha kosa, handrasana ny fanadihadiana. Ny fantatra dia mbola manana ny olony eto Madagasikara ity lehilahy ity ary lezionera vahiny izy ireo. Mersenera ireo olony ireo izay miriaria eto an-drenivohitra, raha ny tsiliantsofina re. Heverina fa henon’ny filoham-pirenena izany tamin’ny angom-baovaon’ny mpitsikilony ka antony nampidirina azy tao anaty trano fitaratra tsy laitram-bala tamin’ny 26 jona 2017, fotoana fohy talohan’io rahateo no nisamborana an’i Houcine Arfa. Raha tsiahivina, nanomboka tamin’ny fandaingany hoe nody any Lafrantsa kanefa olon-kafa no nandeha fiaramanidina tamin’ny anarany, tetsy Ivato, no nanomboka ny fanahiana rehetra fa olon-dratsy ity frantsay ity. Fotoana fohy taorian’izay izy no nosamborina. Momba ny fitsoahany indray dia mazava tsy takona afenina ny fisian’ny kolikoly. Ireny tenin’ny tonia mpampanoa lalàna ireny ny amin’ny fisian’ny valizy roa feno vola nentin’ny lehiben’ny Brigade Criminelle tao aminy dia efa porofo mivaingana. Raha tena mandeha izany ny fanadihadiana dia tokony io lehiben’ny sampandraharahan’ny polisy io no andehanany voalohany ary miafara any amin’ny minisitry ny fitsarana. Ny olana anefa, na dia ny hanao ny fanadihadiana aza dia ny BC ihany ary BC hatrany. Faharoa, ny minisitry ny fitsarana koa no mibaiko ny mpitsara amin’ny fanadihadiana, ary mazava ho azy fa tsy hamono ny tenany mihitsy izy. Mila ny polisy frantsay izany raha ny kisary tsara indrindra, midina eto an-toerana ary manao ny fanadihadiana rehetra. Izay vao mety ho azo antoka ny vokatra. Raha tsy izany dia ho faty momoka fotsiny indray.

 

Tevez

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

  • ANOSIBE
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty voatifitra teo

  • Asa ratsy sy halatra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

eny amin'ny RN7 Lasibatry ny jiolahy ny fiara

  • Fandorana Kaomisaria sy herisetra tao Vohémar
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hisy fanenjehana ara-pitsarana ireo tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT