Fandriampahalemana

Houcine Arfa Asaina samborin’ny Frantsay


  • Alarobia 10 Janoary 2018

Namoahana didy fampisamborana iraisam-pirenena ilay teratany Frantsay Houcine Arfa 54 taona, izay notanana teny Tsiafahy nanomboka ny 20 jona 2017, ary nafindra teny Antanimora avy eo.

 

 Heloka samihafa no nambara fa nataony, toy ny fitazonana fitaovam-piadiana tsy nahazoana alalana, fikasana haka an-keriny, fisandohan’andraikitra, tafiditra tanaty fikambanan-jiolahy.  Voaheloka 3 taona higadra an-tranomaizina nanomboka ny 23 novambra 2017 izy noho ireo vesatra ireo, saingy io tafatsoaka io.  Efa ny 04 janoary teo no nahavitan’io didy fampisamborana iraisam-pirenena io, hoy ny Minisitry ny fitsarana Rasolo Elise Alexandrine. Nalefa any amin’ny fitsarana Frantsay ny antontan-taratasin’ady hanenjehana azy ary any izy no hanapitra ny saziny fa tsy voatery averina eto Madagasikara akory, raha ny voafaritra ao amin’ny fifanaraham-piaraha-miasa ara-pitsarana  eo amin’i Madagasikara sy Frantsa nosoniavina tamin’ny 4 jona 1973 no ampiharina.

Fitsoahana efa voaomana

Tafaporitsaka izy ny 28 desambra 2017 rehefa avy nanao fizaham-pahasalamana teny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha ary saika hoentina teny amin’ny Polyclinique Ilafy avy eo i Houcine Arfa. Teny an-dàlana no voalaza fa nisy fiara tsy mataho-dàlana matroka roa nibahana avy ao aloha sy nanaraka avy aoriana, ka nambanan’ny roalahy mitam-basy ireo mpandraharahan’ny fonja 2 lahy sy mpitsabo mpanampy iray niaraka taminy; hany ka navotsotra i Houcine Arfa. Ny teo anivon’ny minisiteran’ny fitsarana moa dia efa nilaza fa tsy ara-dalàna sy tsy nahazoana alalana ny fitondrana azy saika hihazo ilay hopitaly lehibe.  Naiditra am-ponja vonjimaika avokoa ireo mpandraharahan’ny fonja miisa 2, sy ilay mpitsabo mpanampy 1. Heverina mantsy fa misy ny zavatra mampiahiahy ary mety efa voaomana mialoha ilay fitsoahana fa mody nambara hoe hitsabo tena sy mila afindra hopitaly. Azo antoka aloha izany fa tsy hiverina eto Madagasikara intsony i Houcine Arfa, fa mampanontany tena koa anefa hoe : tena hisambotra sy hanagadra azy ve ny Frantsay ? Izy izay azo antoka fa mahafantatra tsiambaratelo maro momba ny mpitondra ambony eto amin’ny firenena sy ireo olona manodidina azy efa miteraka resa-be etsy sy eroa.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT