Fandriampahalemana

Hetsika be midina an’elakelan-trano Olona 8 no voatery notazonina


  • Alarobia 24 Aogositra 2022

Mitohy ny hetsika be midina hataon’ny polisim-pirenena eto an-drenivohitra. Ny alin’ny 22 Aogositra teo fotsiny ohatra dia olona miisa 8 no voatery notazonina.

Mitohy hatrany araka izany ny fisafoana hataon’ny Polisim-pirenena mandeha an-tongotra sy amin’ny fiarakodia na atoandro na alina amin’ilay hetsika « be midina anaty elakelan-trano ». Ao ireo nanao fanamiana sivily ankoatra ireo hafa efa nanao fanamiany mba hamongorana ireo trangana tsy fandriam-pahalemana eto Antananarivo Renivohitra. Isan’izany ity be-midina nataon’ny Commissariat de la Sécurité Publique-n’ny boriborintany faharoa ity. Maro ny polisy nahetsiky ny CSP2 ka nizara roa ny faritra nandehanan’izy ireo ary tapitra voasava avokoa ny tanàna nandehanany toy ny tany Mahazoarivo, Ambohitsoa, Ampamatanana, Androndrakely, TV plus, Morarano, Manakambahiny, Ambohimiandra - Ambatoroka, Andohan'i Mandroseza, Ambohipo, tsena Ambolokandrina, Tsiadana, Ambatoroka. Olona miisa 24 no voatery nosakanana teny amin’ity boriborintany faharoa ka valo tamin’izy ireo noentina teny amin’ny Biraon’ny Polisy nanaovana fanadihadiana fototra sy mampiahiahy. Mihamafy hatrany izany fisafoana izany indrindra ny amin’ny alina. Anisan’ireo toerana fieren’ireo olon-dratsy sy hanaovany ny asa ratsiny moa ireo voatanisa rehetra eo ambony ireo.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny polisy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT