Fandriampahalemana

Hery vonjitaitran’ny polisim-pirenena Hiady amin’ny fakana an-keriny


  • Sabotsy 20 Mey 2017

Lanonana 2 sosona no notanterahana tetsy amin’ny toby Bertin Razafindrazaka etsy Antanimora omaly.

 

Teo ny fampiakarana galona ho an’ireo kaomisera divizionera miisa roa ho lasa mpandrindra ankapobeny ny fitsirihina anatiny eo anivon’ny polisim-pirenena ary faharoa  dia ny famindram-pahefana eo anivon’ny fibaikoan’ny hery vonjitaitran’ny polisim-pirenena. Lasa tale jeneralin’ny polisim-pirenena ny kaomisera Eric michel Idrissa ary talen’ny fitsirihina ankapobeny eo anivon’ny polisim-pirenena kosa ny kaomisera Martin Rasamiarivony. Ny kaomisera Haja Razatovo kosa no lasa nandray ny andraikitra eo amin’ny fibaikon’ny hery vonjitaitran’ny polisim-pirenena nandimby ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena ankehitriny. Ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny fakana an-keriny teratany vahiny moa no tena taratra ho isan’ny ady hatrehan’ity sampan’ny hery vonjitaitra ity, raha ny fifandimbiasam-pirenena teny an-toerana.

 

Mirija

 


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabĂ´tazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT