Fandriampahalemana

Heroine 1 grama Voatsinjaran’ny mpivarotra azy 35 fonosana


  • Zoma 16 Septambra 2022

Vehivavy iray 26 taona no tratra nivarotra heroine teny Antohomadinika afak’omaly Alarobia 14 Septambra atoandro tokony ho tamin’ny 01 ora.

Raha araka ny fantatra dia anisan’ny mpamatsy "héroïne" eny amin'iny faritra Antohomadinika sy manodidina ity ramatoa ity. Nirotsaka an-tsehatra avy hatrany ny polisim-pirenena misahana amin'ny ady amin'ny zava- mahadomelina Anosy araka izany nanao ny vela-pandrika rehetra mba hanatrarana azy. Teo am-pivarotana " heroine" mihitsy izy no tratran'ny Polisy ambodiomby, tao amin'ny trano fonenany eny Antohomadinika.Rehefa natao ny fisavana azy dia mbola hita tao aminy ihany koa fonosana kely "heroine" miisa 17 izay nafeniny tao am-paosiny . Araka ny famotorana natao taminy dia vidiany eny 67 ha ireo heroine ka ny 1 grama mahavita 35 fonosana. Mahalafo eo amin'ny 35 fonosana isan'andro izy araka ny voalazany . Marihana moa fa tsy mitsindrona no sady tsy mifoka ity ramatoa ity fa mpamatsy ary mpivarotra amin’ireo olona tonga mividy ao aminy fotsiny . Natolotra ny fampanoavana omaly izy ka naiditra eny Antanimora vonjimaika.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay Ramatoa sy ireo heroine namidiny
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT