Herisoa Mahafaly sy Faly Crochet

Lavon’ny bala tao Imerintsiatosika


  • Zoma 10 Mey 2024

Tapitra ny 99 andron’i Herisoa Mahafaly sy Faly Crochet, dahalo raindahiny sy mpamerin-keloka

ao Imerintsiatosika efa tena malaza amin’ny fanafihana mitam-piadiana. Nahazo saran-dalana hody any amin’ny mandrakizay afak’omaly Alarobia 08 May mantsy izy ireo rehefa nifanehitra tamina Zandary miisa 3 avy amin'ny borigadin’Imeritsiatosika izay nidina hisambotra ireo namany niaraka tamin’i Faly Crochet. Talohan’io anefa dia efa niaiky i Faly Crochet fa ny alin'ny 04 Aprily lasa teo izy dia nanafika tao Anonikomby fokontany Antsetsindranovato Imeritsiatosika. Niaiky koa izy fa ny 30 Aprily ihany dia nanao ny asa ratsiny tao Ambohijatovo kaominina ambanivohitra Fenoarivo Distrikan' Atsimondrano niaraka tamin’ny namany. Betsaka ireo fanafihana vitany toy ny tany Manjakandriana, Ambatofotsy, Carion, Behenjy,....Jiolahy miisa 3 moa no nitsena ny zandary tao anaty alan-kininina izay nitifitra avy hatrany. Tao anaty fifampitifirana dia nanararaotra nitsoaka i Faly Crochet ka voatery nitifitra azy ny zandary. Voa teo amin'ny lamosiny izy antony niteraka ny fahafatesany. Natao ny savahao ny ati-kininina kianjan'ny ady ka nahitana jiolahy iray hafa maty tao anaty fifandonana. Tavela teny an-tanany ny pistolet, efa mifahana. Fantatra fa i Niry jiolahy isan'ny karohina ity lavo faharoa ity.
Pati
Legende : Nitsirara tahaka izao izay voa !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT