HERISETRA,

VONO OLONA, FAMONOAN-TENA


  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Olana ara-piarahamonina mila

ahitam-bahaolana matotra
Ilay fiainana ankehitriny lasa mirotoroto loatra ve sy samy maka ho azy no tsy mampisy fifampiresahana intsony ka mahatonga ny olona sasany hamoy fo. Io avy eo no mety manosika any amin’ny famonoan-tena ; tena mampalahelo fa nisy fotoana isan-kerinandro no andrenesana ny vaovao hoe nisy namono tena tatsy sy taroa. Tsy ampy intsony ny fifampiresahana sy fifampihainoana fa samy miatrika ny adiny samirery. Tsy vitsy ireo mivarilavo amin’ny toaka sy ny zava-mahadomelina isan-karazany, ary misy tena amin’ilay mahery vaika. Any sisa no entina hampitoniana ny saina sy ny fo. Mampalahelo fa na ireo tokony hifankatia sy hifanohana aza moa mifandratra : ao no mahavita manindron’antsy sy mamono mahafatyny olon-tiany na ny vadiny. Resaka fahasarotam-piaro no mifadika fandratrana olona ka lasa famonoana ho faty ary mbola miaraka amin’ny fomba feno habibiana. Lasa toy ny milalao tsipoapoaka ny fampiasana basy ho an’ny olona sasany ary ny tena raharaha dia misy mpitandro filaminana tsy mahatsindry fo fa mitifitra avy hatrany vantany vao mafimafy ny fifandonana ara-kevitra, tahaka ilay Garde du corps nitfitra sy nahafatny ny rafozam-baviny teny Tsiadana Ankaso faramparany teo. Toe-javatra mila dinihina lalaina sy hikaroham-bahaolana izany raha tena hanao fanorenana ifotony marina sy mikasa ny hanangana Madagasikara vaovao miaina anatin’ny fitoniana mba ahafahan’ny tsirairay mianatra sy miasa araka ny tokony ho izy fa tsy mitaintaina maraina ataoandro hariva eto.
Légende : Lehilahy iray avotry ny fokonolona raha saika hamono tena teny Tanjombato ny fandohan’ny volana jolay teo
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra tariby amin'ny RN1
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Fahavalom-pirenena

  • HAFATRY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

NY POLISIM-PIRENENA

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

Hijery ny tohiny
FTT