Herisetra sy vono olona etsy sy eroa

Ampihorohoroana ny vahoaka amin’izay mamitsaka ?


  • Talata 13 Mey 2025

Efa nisy teto ny hoe hala-jaza, mpaka fo, mpangalatra taolam-paty, mpaka an-keriny,

satanika, fakana an-keriny olona varira, halatra voamaso, fibatana tovovavy mpianatra, tsindrona rongony mahery vaika, mofo mamy misy rongony. Tato ho ato indray dia fakana an-keriny sy fanolanana ary famonoana zaza tsy ampy taona amin’ny fomba feno habibiana.
TSY MILAMINA INTSONY
Mitovy hevitra ny maro hoe tena tsy milamina intsony ny tany ka aleo mitandrina, mahafantatra tsara ireo zava-drehetra ireo ny mpitondra fanjakana, milaza hoe manao ny asany ny mpitandro filaminana saingy toa mitombo hatrany ny faharatsiana sy adalana misy any anaty fiarahamonina. Ary tsy mbola mazava tsara hoe fa inona marina no anton’ireny trangam-piarahamonina mamoafady sy etan tsy fampiseho masoandro ireny. Misy tranga tena tsy misy fitakiam-bola, izany hoe tsy noho ny vola ilay izy ; farany teo izao teny amin’ny 67ha fakana an-keriny sy famonoana ilay tovovavy kely tsy mbola 10 taona akory dia nahavita nanoratra taratasy mihitsy ireo nahavanon-doza hoe valifaty io ary mbola hamono olona 2 hafa ry zareo. Vao tsy ela no nisy an’ilay famonoana zanaka mpanakanto teny an-toerana ihany ka asa na fifandrifian-javatra na misy ifandraisana ?
FAMPIHOROHOROANA ARA-TSAINA ?
Mipetraka ny fanontaniana hoe fa dia inona loatra izany lolom-po ahafitana mamono zazavavy kely amin’ny fomba feno habibiana izany sy manary azy anaty maloto ? Fa inona no helok’io zaza io ? Raha izay aloha no raisina dia hoe efa olona very fanahy ary tsy miraharaha izay tsiny sy tody izany no mahavita zavatra toa izao.Etsy ankilan’izay koa anefa lasa ihany ny eritreritra , hoy ireo mpandinika ny trangam-piarahamonina sy manara-baovao isan’andro hoe : sao lahy ka endrika fandrebirebena sy fanakorontanana saim-bahoaka indray izy ity. Na tena fampihorohoroana faobe mihitsy mba hahatonga ny olona hamitsika any an-tranony fa tsy hihetsiketsika na hivezivezy be loatra na haneho hevitra. Satria vao misy olona izany sosotra na tezitra aminao dia ho avy aminao ve ny tsy mety ka ho hita faty eny anaty tatatra eny, sanatria,Sady raparaka voadaroka mihosin-dra no tsy miakanjo intsony ? Fa izao moa no mahazo tombotsoa amin’ny fampihorohoroana ny saim-bahoaka ? Iza no mahazo tombotsoa raha mamitsaka tsy mihetsika sy tsy miteny intsony io vahoaka io ? Asa re !
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT