Nisy nitifitra tao anaty fiarany marika “Audi” nentiny i Radjan Amiralli Moustapha, teratany karana, omaly alatsinainy 13 novambra maraina tokony ho tamin’ny 8ora latsaka fahefany. Teo ambany kelin'ny Masoivohon'i Alzeria, lalana mihazo an'Ambatobe no nitranga ny hetsika.
Roalahy nitaingina moto ireo nitifitra, ka feom-basy in-telo no ren’ireo teny amin’ny manodidina. Tsy voafehin’io karana io intsony kosa ny familiana ilay fiara vokatry ny ratra mafy nahazo azy, ka nidona mafy tamina fiara tsy lavitra teo. Amin’ny maha fiara raitra ilay “audi” dia nipoaka mihitsy ny “air bag”, ilay karazana balaonina misy rivotra mibontsina hiarovana ny ain’ny mpamily sy ny eo anilany, rehefa misy ny loza na dona mafy mahazo ny fiara. Ny tarehy sy ny vavan'ity teratany vahiny ity no tena rotiky ny bala, ary ny nifiny aza dia nisy latsaka tao anaty fiara mihitsy. Vao avy nitifitra kosa ireo olon-dratsy dia nirifatra nitsoaka kinanjo nidona tamin’ny taksibe ka nianjera. Niezaka nanarina ilay “moto” dia nanohy ny fitsoahany ny iray. Voatery nanavotra ny ainy nitsoaka tany anelakela-pasana kosa ny iray. Tonga teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana, saingy efa tsy hita intsony izay toerana nalehan’ireo olon-dratsy. Noho ny ratra mafy nahazo azy kosa dia voatery nentina notsaboina haingana tany amin’ny hopitaly io karana io, ary narefo dia narefo izy taorian’ny tifitra nahazo azy.
Ahiana ho valifaty
Efa voarohirohy tamin’ny resaka fakàna an-keriny teratany karàna, famotsiam-bola maloto, voatazona vonjimaika teny Tsiafahy fa efa nahazo fahafahana i Radjan Amiralli Moustapha, raha ny vaovao mivoaka. Ahiana ho tao ambadik’ilay fakana an-keriny tsy nahomby tamin’ny zoma lasa teo izy. Ahiana ho misy endrika famalaiana faty na « règlement de compte » noho izany iny tranga omaly iny. Ny tohin’ny fanadihadiana anefa no hamaritra ny tena marina. Tsy vao izao ity resaka fitifirana teratany karàna ity, fa efa maromaro ihany. Ny takarivan’ny 9 aogositra 2016, no nitifiran’ny jiolahy ilay karana Hassan Farhane Houssenaly vao 19 taona monja teny Mangasoavina. Ny 19 janoary 2017, dia karana iray sy ny zanany no voatifitra teny Ambatobe ihany, ka fiara tsy mataho-dalana tsy nisy laharana no voalaza fa nampiasain’ireo olon-dratsy tamin’izany. Ny 24 aogositra ihany koa no nisy nitifitra teny Antsahavola i Zahid Razah, Kaonsily jeneralin’i Malaisia teo aloha, ary tompon’ny tranombarotra ZZ Center. Efa voatonona tamina raharaha fakana an-keriny i Zahid Razah. Toa efa tena avo lenta ity resaka fitifirana karana ity, izay tombanana ho izy samy izy ihany no ambadik’izao. Mitovitovy hatrany ny fomba fisehon’ny fitifirana sy ny famonoana ary ny fitaovana ampiasaina. Mifanindran-dalana amin’ity resaka ity ny raharaha fakana an-keriny, izay indraindray toa mahalasa saina amin’ny mety ho fisian’ny ambadika politika satria volabe matetika no takiana ho tambin’ny famotsorana. Akaiky rahateo ny fifidianana, ary mety ho ireny no hatobaka sy hampiasaina amin’ny propagandy. Ny fikarohana sy fanadihadiana lalina no hamaritra azy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.