Fandriampahalemana

Herisetra sy fanendahana Lasibatra isan’andro ireo mpandeha taxibe 119


  • Alarobia 08 Desambra 2021

Mirongatra ny mpanendaka amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona izao.

 Ireo mpandeha taxibe no tena mahita faisana amin’izany indrindra fa ireo mandeha ny taxibe laharana 119 mampitohy an’Ankatso sy 67 ha. Vao omaly ohatra dia lehilahy iray tao anaty taxibe ihany no nivadika tamina vehivavy iray nipetraka teo akaikiny, raha niainga teny amin’ny tobim-piantsonana 67 ha. Nilalao irony karazana finday avo lenta I phone irony ity farany ka tena variana tokoa. Rehefa nalaladalaka anefa ilay taxibe tonga teo Ampefiloha dia niala ilay lehilahy no sady nisintona ilay finday ka lasa nitsoaka tsy hita izay nalehany. Ilay vehivavy efa nitomany sy nihiaka no hitan’ny olona saingy tsy nisy azo natao taminy intsony. Niezaka ny nanenjika samy irery ilay mpanendaka ihany koa mantsy ity vehivavy ity. Taorian’izay ihany koa vao taitra ilay mpamily sy ny mpanampy azy saingy efa tara loatra. Ny hany nambaran’izy ireo dia saika efa fantany daholo ireo mpanendaka finday miditra ao anaty taxibe saingy matahotra ny tsy hitondra azy ireny izy ireo sao hivadihan’iretsy voalohany, hono.

Pati
Legende : Mitondra faisana ireo mpandeha taxibe eto an-drenivohitra amin’izao ankatoky ny fety izao noho ny hafitsok’ireo mpanendaka
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT