Fandriampahalemana

Herisetra sy fakana an-keriny Mampiaka-peo ireo mpandraharaha


  • Alarobia 24 Mey 2017

Efa tsy rariny intsony ny herisetra, fakana an-keriny, fandrobana atao amin’ireo mpandraharaha, hoy ny fanambarana ofisialy navoakan’ny fianakaviamben’ny mpandraharaha eto Madagasikara omaly izay ahitana ireo fikambanana goavana toy ny CFOIM, SIM, GEM, FIVMPAMA, GEFP, FIOVA, GEPAM …

 

 Lasibatr’ireo tambajotran-jiolahy tato anatin’ny taona vitsy izay ireo mpandraharaha manerana an’i Madagasikara, hany ka tena misy akony amin’ny asa sy ny fitadiavana. Miantso ny fitondram-panjakana sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto amin’ny firenena ireo mpandraharaha ireo handray andraikitra sy hanolotra vahaolana mahomby amin’ity herisetra mitranga etsy sy eroa ity ka mba samy hilamin-tsaina ny rehetra tsy an-kanavaka. Nanindry mafy ny SIM na ny sendikan’ny indostria eto Madagasikara fa misy akony amin’ny fahazotoan’ireo mpamatsy vola ho tonga eto Madagasikara izao herisetra izao ka hampandringa ny sehatry ny fandraharahana amin’ny ankapobeny. Tena ilaina maika ny fametrahana paikady sy fepetra hentitra sady mahomby hiadiana amin’ny herisetra, ka ahafahana manana tontolon’ny fandraharahana milamina. Ny 14 mey lasa teo moa no nisy naka an-keriny ary tsy mbola hita popoka hatramin’izao i Yanish Ismael, 26 taona mpandraharaha ary zanaky ny tompon’ny SMTP. Io tranga io no tena nahafeno ny kapoaka ka nahatonga ireo mpandraharaha nitabataba amin’izay satria tahaka ny tany tsy misy fanjakana eto Madagasikara.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT