Fandriampahalemana

Herisetra sy asan-jiolahy Tena malemy ny fanjakana


  • Talata 13 Jona 2017

Mampiteny ny moana ny resaka tsy fandriampahalemana eto amin’ny firenena. Tsy an-drenivohitra tsy eny ambanivohitra fa dia manerana ny firenena mihitsy.

 Tsy arakaraka ny fanehoan-kevitry ny mpitondra ambony eto amin’ny firenena fa dia isan’andro no handrenesana asa ratsy sy vono olona. Manjaka ny fakana an-keriny, ka teratany karana miisa 2 no lasibatra tao anatin’ny herinandro. Taorian’i Pradeep Chandarana teny Behoririka dia karana tompona tranombarotra iray antsoina hoe oussouf ElAlawi no voalaza fa nisy naka an-keriny tany Mahabibo Mahajanga ny zoma teo. Tsy ny karana irery intsony fa nisy mpandraharaha Malagasy lasibatra ihany koa teny Mandrosoa Ivato ny sabotsy teo. Ny faty olona etsy sy eroa sy ny fanafihana mitam-piadiana moa dia efa tena tsy vaovao amin’ny sofina intsony. Metisy karana iray no hita faty teny Antsahabe, olona miisa 3 no indray matin’ny dahalo tany Ambohimahasoa, ka ny mpitandro ny filaminana mihitsy no lasibatra. Omby 105 no indray lasan’ny dahalo tany Fenoarivobe ny alin’ny alahady teo. Tahaka izany hatrany no hiainana eto Madagasikara. Fialana bala sy fampanantenana poakaty hatrany no hasesiky ny fanjakana manoloana ireny zava-doza ireny. Valin-teny fandre matetika ny hoe tsy ampy ny fitaovana saingy zavatra tsy mitombina mihitsy izany. Ny paikady mihitsy no tsy misy ary zary fanesoana ho an’i Madagasikara ny hoe firenena manana manamboninahitra kolonely sy jeneraly indrindra eto ambonin’ny tany. Inona no mba paikady haroson’ireny manamboninahitra maro be ireny ? Sa dia ny hiaro ny fanjakana no tena adidy sy andraikitra ? Ny fampanantenana ataon’ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra moa dia efa toy ny hoe hiseho avy hatrany ny fahagagana raha jerena tamin’ireny fanambarana isan-karazany ireny : hivoaka tsy ho ela ny marina momba ny fakana an-keriny, fitsaram-bahoaka … Ny resaka tsy fandriampahalemana aza mbola pitsopitson-javatra iray kanefa tsy voafehin’ny fitondrana HVM, ka tsy atao mahagaga raha tsy voafehy ny vidim-piainana, ny olana ara-piarahamonina … Vahaolana petatoko sy fampanantenana poakaty no tena mampalaza ny fitondrana Rajaonarimampianina. Ny fanaovana kolikoly no tena nisongadinany teto amin’ny firenena, ka tsy atao mahagaga raha mitotongana andro aman’alina ny fiainan’ny Malagasy.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT