Fandriampahalemana

Herisetra sy Asan-jiolahy Lasa faritra mena Antananarivo


  • Alarobia 23 Aogositra 2017

Mitaintaina andro aman’alina ny mponina eto Antananarivo satria isan’andro dia misy herisetra sy fandrobana mitranga foana.

Ny sinto mahery sy fanendahana moa tsy resahana intsony fa efa lasa fanampin-tsakafo.Jiolahy miisa 4 nirongo basy no nanafika toeram-pivarotana zava-pisotro teny Amboanjobe Atsimondrano lalam-pirenena  faha-7 omaly talata hariva tamin’ny 4 ora tolakandro. Niditra tamina toeram-pivarotana ireo jiolahy, saingy nanohitra ilay mpivarotra, ka notifiriny, ary voany teo amin’ny valahany. Tsy nitazam-potsiny ny fokonolona fa nanampy, ka tafavoaka tao anatin’ny fifanjevoana ilay mpivarotra efa voatifitra. Nitsoaka ny jiolahy 3 fa voahidy tao anatin’ilay tranom-barotra ny iray. Nianatsimo ny 2 tamin’ireo olon-dratsy ary nianavatra ny iray, ka ity farany no nenjehin’ny mpiambina ilay toeram-pivarotana sy ny fokonolona vitsivitsy ary tratra, ka matin’ny fitsaram-bahoaka. Ilay jiolahy tavela tao anatin’ny toeram-pivarotana, izay nanana basy kosa nampitandreman’ny mpitandro ny filaminana rehefa tonga izy ireo, saingy mbola nitifitra. Voatery namaly ny mpitandro ny filaminana ka nahavoa sy nahafaty azy. Ireo 2 hafa kosa mbola karohina. Mirongatra ny asan-jiolahy eto Antananarivo amin’izao fotoana na andro na alina. Ny herinandro lasa teo, nisy fanafihana tranombarotra lehibe iray tamin’ny andro antoandro teny Andravohangy, ka lasa ny vola be tamin’ny gony. Torak’izany ihany koa ny teny amin’ny Tranombarotra Fasal Ambodifilao, izay samy voaambana fitaovam-piadiana na ny mpiantsena na ny tompony, ka toy ny nitaty rakitra ireo jiolahy nandroba ny iray trano. Vao ny alatsinainy hariva ny teny Tsiadana nisian’ny jiolahy miisa 5 nanafika tsena lehibe iray, ka olona iray maty ary lasa ny vola 4 tapitrisa ariary mahery. Tena mihantsy ady amin’ny mpitandro ny filaminana ny jiolahy, ary manao tsinontsinona mihitsy. Matetika ihany koa anefa no andrenesana fa ny mpitandro ny filaminana ihany no ao ambadika.

Fandrarana famoriam-bahoaka no aloha

Mangina sy tsy andrenesam-peo ny fanjakana manoloana ny asan-jiolahy. Ny mpitandro ny filaminana moa tsy manan-tsafidy fa toa ataon’ny fanjakana HVM fitaovana. Raha any anaty fisakanana sy fandravana famoriam-bahoaka, dia efa tena mahery sy matanjaka ary manana paikady avo lenta. Resaka fandrarana “zumba” eny Mahamasina sy fisakanana famoriam-bahoaka ao anaty kianja mitafo, dia mahavita mikaon-doha ny jeneraly maro tompon’andraikitra ambony amin’ny resaka fitandroana filaminana. Raha paikady hamongorona ny tsy fandriampahalemana kosa, dia lavitry ny kitay ny afo matoa izao no zava-misy. Fialana bala hatrany no re matetika hoe tara ny fampandrenesana ny mpitandro filaminana, tsy misy solika,…rehefa miseho ny asan-jiolahy. Toa tsy mba manana fotoana hisainana sy hitadiavana paikady manoloana an’ireny angamba satria efa lany fotoana miketrika ny fandrarana hetsika politika. Ny fanazaran-tenan’ny tafika, izay hireharehan’ny filoha Rajaonarimampianina sy ny lehiben’ny mpitandro filaminana fatratra aza moa resaka fiarovan-tena amin’ny fananiham-bohitra avy any ivelany, kanefa ny ady amin’ny jiolahy eto aza tsy vita, hany ka sady mampihomehy no mahamenatra, ary mahatezitra ihany koa. Tsy afa-manoatra anefa ny Malagasy eo anatrehan’ny mpitondra tsy manaiky ho diso sy tsy vonona hanitsy ny tsy mety, fa lomoron’ny fitiavam-pahefana sy ny fitiavan-karena.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Asa ratsy sy halatra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

eny amin'ny RN7 Lasibatry ny jiolahy ny fiara

  • Fandorana Kaomisaria sy herisetra tao Vohémar
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hisy fanenjehana ara-pitsarana ireo tompon’antoka

  • Tsiroanomandidy Ville
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Voasambotra ireo jiolahy

  • MAHAJANGA
  • Talata 14 Aprily 2026

Tambajotra mpangalatra moto iray sarona

  • Toamasina
  • Talata 14 Aprily 2026

Mpamily tuc tuc nanendaka, voasambotra

  • Halatra tariby
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Mpiasan'ny Jirama roa nidoboka am-ponja

Hijery ny tohiny
FTT