HERISETRA, FISOLOKIANA, HALA-BOTRY

Mirongatra, manaporofo ny fahantran’ny Malagasy


  • Talata 18 Martsa 2025

Mirongatra ny asa fisolokiana sy ny herisetra ary ny fanaovana hala-botry eto amintsika.

Tsy misy izay tsy ahitana izany manerana ny faritra 23 na an-tanan-dehibe na ambanivolo. Ho an’ny asa fanendahana manokana dia tonga hatrany amin’ny fanalana ny ain’ny mpiara-belona mihitsy izany mba hahazoana izay fananana kely eny aminy toy ny vola sy ny finday. Ny an’ny sasany indray ny vilany sy ny sceau ary ny lamba miahy eny amin’ny tady no haripany ao an-tanana havadika ho vola hividianana vary sy laoka. Fa tsy latsa-danja amin’ireo ny fisolokiana izay tena mahazo vahana tokoa. Vao tsy ela akory izay no nisy mpivarotra saribao voafitaka niaraka tamin’ilay zazalahy kely mpibata azy fa nosolokian’ny olona. Porofon’ny fahantrana mihoampampana hiainan-dRamalagasy avokoa izany rehetra izany. Diso be loatra ireo tsy an’asa, indrindra fa ny tanora. Manampy trotraka izany ny hasarotan’ny fiainana izay mampanaotao foana ny ankamaroan’ny olona. Tsy ampy hiainana isan’andro intsony ny lela-vola 10.000 Ar ho an’olona 3 mianaka hany ka maniraka ny sasany hangalatra mihitsy izany mba hihinanan’ireo vady aman-janany sy handoavana trosan’olona. Ny fanjakana anefa etsy an-daniny tsy hita izay vahaolana raisiny. Variana miady hevitra ambony latabatra fotsiny ny ankamaroany fa tsy mahita ny fahoriana hiainan’ny Malagasy isan’andro. Ny fonja no lasa mihafeno vokatr’izany rehetra izany.
Pati
Legende : Tena sahirana ny ankamaroan’ny Malagasy hany ka lasa mangalatra sy manaotao foana tahaka izao !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT