Herisetra ara-nofo amin’ny zaza tsy ampy taona

Migadra eny Antanimora ilay mpanolana tetsy Namontana


  • Alatsinainy 22 Jolay 2024

Nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny 19 Jolay lasa teo ny zazalahy

iray 17 taona rehefa voamarina fa nanolana ankizivavy kely vao 3 taona monja teny Namontana, Boriborintany fahaefatra. Tsikaritry ny Ray aman-dRenin'ilay zaza fa niova ny toe-pahasalaman'ny zanak'izy ireo. Natao ny fizahana teny amin'ny mpitsabo ka voamarina fa niharan'ny fanolanana izy. Nametraka fitoriana avy hatrany izy ireo ka ny 17 jolay teo no voasambotra teny Namontana Anosibe ilay zazalahy nahavanon-doza. Fantatra tamin’izany fa nandritra ny fotoana tsy nahateo ny Ray aman-dReniny no nanolanan'ity tovolahy ity an'ilay zaza. Miha mahazo vahana indray ny fanolanana tato ho ato teto amintsika. Hatreto anefa dia mbola tsy hita ihany, mba tsy hitenenana hoe nampanginina, ny lalàna fampiharana ilay famosirana izay tena andrasan’ny besinimaro mba hamaizana ireo mpanao ratsy.
Pati
Legende : Efa maka saina any Antanimora ity tovolahy mpanolana ity
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT