Fandriampahalemana

Herisetra ao Toamasina Zaza tsy ampy taona no manendaka mpianatra


  • Alatsinainy 06 Febroary 2023

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina ao efa ho herinandro maromaro izao.

Mpianatra avy nianatra indray no nendahina olona telolahy ny 04 febroary teo tokony ho tamin’ny 06 ora sy fahefany hariva tao Tanambao Verrerie. Niaraka tamin’ny antsy maranitra ireto mpanendaka ireto nandritra izany izay marihina fa mbola tsy ampy taona ny roa. Niezaka nitsoaka ihany ireto farany nandritra izany fa tsy lasa lavitra dia voasambotry ny polisy. Mbola tratra teny amin'izy ireo koa ny finday maromaro izay avy nendahiny ary nanambara ny talen'ity sekoly ity fa mety an'ireto mpianatra izay avy nanaovany ny asa ratsiny ireto izany. Rehefa nanontaniana izy ireo dia nanaiky fa avy nangalariny ireto finday ary teo koa no nahafantarana fa vao 19 taona monja no zokiny indrindra amin’izy ireo. Natolotra avy hatrany ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona ny raharaha hanohizana ny fanadihadiana.
Pati
Legende : Ireto ireo andiana ankizy mpanendaka ao Toamasina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT